TAGNAMARO MATSIATRA AMBONY

Ny Fokontany Amontana ao anatin’ny Firaisana Lalazana – Distrika Fianarantsoa I no nisafidina nanatontosana ny  » Tagnamaro Andron’ny Olompirenena – Volana Aprily 2023 « , izay notontosaina ny andron’ny Sabotsy 15 Aprily 2023 maraina teo, teo ambany Fitarihan’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Matsiatra Ambony, notronon’ireo avy ao amin’ny Prefektiora Fianarantsoa, sy ny avy ao amin’ny Kaominina Renivohitra Fianarantsoa ihany koa ary ireo Sampan-draham-panjakana maro (Sivily sy miaramila), tonga namaly ny fanasana natao.

Niompana tamin’ny asa fanadiovana faobe eny anelakelan-trano sy ny manodidina mba hikajiana ny tontolo Iainana sy ny fahadiovana no nanatontosana ny hetsika ara-kolontsaina Tagnamaro teto.
Isaorana manokana ireo Fikambanana mpilatsaka an-tsitra-po tonga sy ny mponina eo anivon’ny Fokontany Amontana – Firaisana Lalazana ary ny Fokontany manodidina tamin’ny fifanomezana tolo-tànana, nandritra ity hetsika ara-kolontsaina Tagnamaro Volana Aprily 2023 ity.

 » Apetraho ny dian-tànanao, holovain’ny taranaka « .