ANDRO MANERAN-TANY HO AN’ NY HEHY

Andro maneran-tany ho an’ny hehy (Journée mondiale du rire): hetsika maimaim-poana nokarakarain’ny Minisitera hampisongadinana ireo mpanakanto mpanao hatsikana

Nifampitaona omaly sabotsy tetsy amin’ny efitrano Charles Ravaloson, IVOKOLO Analakely ireo mpisehatra rehetra amin’ny hatsikana nandritra ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny hehy.

Nisy ny seho sehatra nampisongadinana ireo tanora manan-talenta amin’ny fampihomehezana nokarakarain’ny Minisitera tamin’ny alalan’ny Ofisialy Nasionalin’ny Zava-kanto sy ny Kolontsaina (OFNAC). Nifandimby naneho ny talentany nandritra ny fampisehoana izy ireo, nahababo ny mpijery tonga maro be tamin’ny fiangalian’izy ireo ny kantony.

Nanomboka ny taona 2019, nametraka fandaharanasa maro samihafa nentina nanohana ireo mpanakanto malagasy tamin’ny sehatra misy azy avy ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Teo ny fametrahana sehatra ho an’ny tanora toy ny « City Art », izay toerana natao hanosehana ireo mpikanto vao misondrotra ho fantatry ny daholobe ny kanto ataony, anisany ny hatsikana.

Efa maro ireo mpanao hatsikana no nampiasa izany toerana izany nampahafantarany ny kanto ataony, ary efa manana ny maha-izy azy ankehitriny.

Ho famaliana ny hetahetan’izy ireo dia hisy ny fikarakarana « scène ouverte » etsy amin’ny IVOKOLO Analakely ahafahan’izy ireo maneho ny sangan’asany, hoy Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, minisitry ny serasera sy ny kolontsaina izay nanamafy fa mendrika hotohanana sy hatosika ireo tanora mpanao hatsikana ireo noho ny talentany.

Hisy ihany koa ny hetsika goavana « FESTIVAL TOKOTANIBE »ho tanterahina amin’ny fialan-tsasatra, hampivondronana ny kanto an-tanan-dehibe (arts urbains), ka ho tafiditra ao anatin’io io ny hatsikana.