Tafaverina eto an-tanindrazana i MICHÈLE RAKOTOSON

Noraisin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, tao amin’ny biraony androany zoma, Ramatoa Michèle RAKOTOSON, ilay mpanoratra malagasy nahazo ny loka « ???? ?????? ?? ????? ???????? » taona 2023, tamin’ilay boky nosoratany milohateny hoe « ???????????, ?? ??????? ?? ?? ??????? ».

Tafaverina an-tanindrazana ity mpanoratra ity taorian’ny nandrombahany ny amboara, ka nanokana fotoana izy nihaonana tamin-dRamatoa Minisitra niresahany mikasika io amboara lehibe azony io.
Nankasitraka ny ezaka rehetra nataon’ny Minisitera izy tamin’ny fampiroboroboana ny boky sy ny vakiteny. Ramatoa Minisitra kosa niarahaba azy manokana ary nanambara taminy ny reharehan’ny firenena malagasy iray manontolo amin’izao fanandratany avo ny kolontsaina malagasy izao.
Hanokana fotoana hanomezam-boninahitra azy manokana koa ny Minisitera amin’ny 23 Mai ho avy izao.

Nampiseho ny fahavononany hifanome tanana hampivoarana hatrany ny sehatry ny literatiora malagasy ny 2 tonta nandritra ny fihaonana, hisy ny fiarahamiasa hapetraka tsy ho ela hanohanana ireo tanora malagasy mpanoratra.