TAGNAMARO AMBATONDRAZAKA

Fanangonana fitaovana fampiasa isaky ny TAGNAMARO no nanamarihana ny hetsika TAGNAMARO teto Ambatondrazaka, androany sabotsy 20 may 2023. Nitondra anjara biriky tao anatin’izany ireo serivisy miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, fikambanana ary fiangonana. Kifafa miisa 86, sobika 14, angady 06 ary antsy mailoka iray no voaray tamin’izao hetsika izao. Marihina fa azon’ny isan-tserivisy rehetra hampiasaina rehefa misy asa atao manokana mifanaraka amin’izany ireto fitaovana ireto.