TAGNAMARO MAROANTSETRA

Fanohizana ny asa Fanamboarana lalana mampitohy Kaominina Ambanivohitra Rantabe sy Morafeno , izay Kaominina tena misy vokatra toy ny vanille sy jirofo ary vatosoa, nefa saro-dalana ka mahatonga ny vidim-bokatra ho ambany sy fampiakatra ny vidin’ny PPN

Ka natao fanamby ny hahafan’ireto Kaominina roa ireto hifandray mba ahafahan’ny fiara avy aty amin’ny renivohitry ny distrika hamatsy azy ireo amin’ny entana ilaina amin’ny andavanandro.

Niara niray feo ireo mpitondra rehetra taty antoerana sy ny Delegasionan’ny serasera sy ny Kolontsaina eto Maroantsetra. Tamin’ ny alalan’ny tohana nataon’ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona misahana ny tapany Avaratra.