?????’???: ?????????? ????? 22 ??? ??? ??????????????? ?? ?????????-??????????? ??????? ???-??????????? ????-4

Taorian’ny tao ?????????, ny teto ???????????? ary ny tao ?????, dia ity eto #Tsiroanomandidy Faritra Bongolava ity ny « Centre d’incubation » fahaefatra tantanin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Izay toerana ahafahan’ny tanora manam-paniriana hanangana orinasa manaraka fiofanana sy manovo ny fahalalana mifandraika amin’ny tontolon’ny fandraharahana.

Raha tsiahivina, fandaharan’asa iray natomboky ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tany Toamasina tamin’ny taona 2019, hanampiana ireo tanora manan-kevitra te handraharaha eo amin’ny lafiny kolontsaina ny fananganana Ivotoeram-pikotrehana orinasa ara-kolontsaina (start-up culturel) ny TOSIK’ART.

Mana-talenta, manan-kevitra tsara ny tanora malagasy fa tsy ampy tosika mba ahafahany mamadika izay talenta sy hevitra tsara izay ho lasa tetikasa mampidi-bola sy mahavelona azy.

Ny fanambin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia ny hanome tanana azy ireo miainga hatrany amin’ny famoahana ny hevitra famoronana ananan’izy ireo, ny fanoratana ny drafi-pandraharahana (business plan) ka hatrany amin’ny fanamasahana ny tetikasa ho lasa azo hikarohana famatsiam-bola any amin’ny banky.

Tsara ny manamarika fa maimaim-poana avokoa ny fisitrahana ny tolotra rehetra omen’ny Tosik’Art.

Ankoatra ny fanokanana ity “Ivo-toeram-pikotrehana orinasa” ity dia nisy ihany koa ny fanombohana ny tetikasa “Prom’Art” izay tetikasa hiaraha-miasa amin’ny UNESCO ho fampiroboroboana ny sehatry ny zavakanto ka teto Tsiroanomandidy renivohitry ny Faritra Bongolava no voasafidy hanombohana izany.

Ny tohin’izao dia ny fanokafan’ ny Minisitera ireo « Centre d’incubation » any amin’ireo renivohi-paritra manaraka efa nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra, dia ?????????, ???????????, ???????, ??b??????-??????, ???????????.
#Tosik’Art