FIKAONAN-DOHA ANDIANY FAHA-9 NY FIRENENA MPIKAMBANA AO AMIN’NY UNESCO MOMBANY NY FIAROVANA SY FAMPIROBOROBOANA NY FAHASAMIHAFAN’NY FANEHOANA NY KOLONTSAINA (Convation 2005)

Anisan’ny minisitra voafidy handray anjara fitenenana nandritra ny lanonana fanokafana ny fivoriana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina malagasy, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, ankoatra ny Minisitry ny Kolontsaina sy Seraseran’i Canada sy ny Minisitra lefitra misahana ny kolontsaina ho an’i Azerbaidjan.

Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nampisongadinany ny ezaka rehetra nataon’ny Governemanta malagasy ho fampiroboroboana ny kolontsaina tahaka ny nananganana ny « Galerie d’arts » tantanan’ny Fanjakana voalohany dia ny IVOKOLO, ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina miparitaka amin’ny faritra maro manerana ny Nosy, ny Ivotoeram-pikotrehana orinasa ara-kolotsaina sy indostrian’ny famoronana (Centre d’incubation pour l’entrepreneuriat culturel et industrie créative) izay vao notokanana tamin’ny 21 mey 2023 farany teo ny farany tany Tsiroanomandidy, sady nanombohana ny fandaharanasa fampiofanana ny tanora momba ny fananganana orinasa ara-kolontsaina tohanan’ny UNESCO-Aschberg rahateo koa.

Fa ny teboka lehibe indrindra tamin’ny lahatenin-dRamatoa minisitra dia ny fanazavany ny fandaharanasa « digitalisation » eo anivon’ny OMDA ahafahana miaro ny zon’ny mpamorona iarahana amin’ny « MANOOVA » izay manana fiarahamiasa amina « LABEL » lehibe iraisam-pitenena tahaka ny « Universal Music » sy « Virgin Music ».

Tohanan’ny UNESCO manokana i Madagasikara amin’io fanavaozana lehibe izay atao io hiarovana ny artista malagasy mpamorona.

Farany dia navoitran’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina koa ny nahazoan’i Madagasikara ny POLITIKAM-PIRENEN’NY KOLONTSAINA, efa lasa lalàna manan-kery nanomboka ny 2021, izay mametraka mazava ny « Satan’ny artista » ahafahana mametraka ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny artista ka hiheverana handraisan’ny Fanjakana an-tanana ny latsak’emboky ny mpampiasa amin’ny alalan’ny « tahirim-bola ara-kolontsaina LOVAKO ».

Efa mandeha ny dinika miaraka amin’ny CNAPS mikasika izay.Hitohy mandritra ny 3 andro ny fivoriana ary mbola hamelabelatra bebe kokoa mikasika ny fanovàna lehibe atao ao amin’ny OMDA mikasika ny « digitalisation » hiarovana ny zon’ny mpamorona Ramatoa Minisitra sy ny delegasiona miaraka aminy amin’ny andro faharoa rahampitso.