???????? ???-?????? ???-???? ???????? (??????????????) ?? ????’?? ????

???????? ??’????? ????????? ?? ????????-???’?? #?????? ?? ????????? ?? ???????? ?? ?? ???????????.

Efa miroso ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina amin’izao fotoana izao amin’ny fanavaozana ho moderna ny fomba fitantanana ny zon’ny mpamorona eo anivon’ny ????, taorian’ny fahazoana ny Tale vaovao sy ny Filohan’ny Filankevim-pitantanan’ny ???? voafidin’ny mpikambana maro an’isa.
Fanovana goavana tena ho amin’ny tombontsoan’ny artista mpamorona no atao ankehitriny, araka ny fiarahamiasa amin’ny orinasa ???????, manam-pahaizana manokana amin’ny resaka famoronana rindrambaiko (logiciel) hanaraha-maso ny fampiasana ny sanganasan’ireo artista ka hahafantarana amin’ny fomba mangarahara ny vola tokony hiditra aminy.
Etsy ankilany dia antsoina ireo artista mpamorona hanoratra ny sanganasa noforoniny ao anatin’ny rindrambaikon’ny ???? mba ahafahana manana ny « base de données » hiaingana amin’ny fiarovana ny zon’izy ireo araka ny tokony ho izy.
Izany fanovana goavana izany no novelabelarin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ????????? ??????????????, nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ny andro faharoan’ny fivoriamben’ny ?????? omaly, ka niresahana ny lohahevitra manodidina ny fiarovana ny artista ao anatin’ny tontolo ara-haitao ara-kajy mirindra. Marihana fa tohanan’ny ?????? manokana ity fandaharanasa firosoana amin’ny « digitalisation » ity.

Ho antsika eto Madagasikara manokana manko dia mbola soratanana anaty bokibe no nandraisana ny fisoratana anaran’ny mpikambana vaovao teo aloha, efa nilaozan’ny toetrandro tanteraka ary nampimenomenona ny artista hatramin’izay ny tsy nampisy mangarahara tamin’ny fomba fitsinjarana ny vola tambin’ny zon’ny mpamorona. Hiova tanteraka izany rehefa tena vita tanteraka ity fanavaozana lehibe atao eo anivon’ny ???? ity.