?????????? ?? ???????????’?? ???????? ???? ??????????? ??????????????

Araka ny toromariky ny Filan-kevitry ny Minisitra, dia anjaran’ny Minisitra mpiahy ny Faritra tsirairay avy no mitarika ny hetsika fizarana karatany faobe isaky ny faritra ahiany.

Amin’ny maha-Minisitra mpiahy ny Faritra Vakinankaratra azy araka izany dia tonga nanokatra ny herinandron’ny karatany tany amin’ny Distrikan’Antanifotsy, Faritra Vakinankaratra ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, niaraka tamin’ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany, Andriamatoa Pierre Holder RAMAHOLIMIHASY.

Famahana ny olana mampijaly ny tantsaha izay nipetraka ela sy nanajary ny tany misy azy, kanefa tsy manana taratasy manamarina ny maha-tompony azy no nanaovan’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA ity fandaharanasa goavana karatany faobe ity.

Tokantrano 2.000.000 manerana ny Madagasikara no kendrena hisitraka izany karatany izany hatramin’ny faran’ny taona.

Efa nisy ny fizarana ireo karatany androany nandritra ny lanonana fanokafana, ary mbola mitohy kosa ny fanentanana atao ny tantsaha mba hisoratra anarana hangataka izany karatany izany.

Nanatrika ny fotoana androany ny Governoran’i Vakinankaratra, ny Solombavambahoaka voafidy tao Antanifotsy, ny Prefen’Antsirabe ary ireo Ben’ny tanana maro be sy ny tompon’andraikim-panjakana samihafa.