???????-????? ????’?? ??????? ??? ????????: HIFANAMPY AMIN’NY MSK NY FIANGONAN’I JESOA KRISTY HO AN’NY OLOMASIN’NY ANDRO FARANY

Taorian ny fandalovan’ny rivodoza ?????? izay nanapotika fotodrafitr’asa maro tany amin’ny tapany atsimo sy atsimo atsinanan’i Madagasikara dia nanao antso avo fiaraha-miasa tamin’ny ny sehatra tsy miankina ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Namaly izany fangataham-piarahamiasa izany ny ?????????’? ????? ?????? ?? ??’?? ????????’?? ????? ??????, ka tontosa androany 13 jona ny fifanaovantsoniam-piarahamiasa miaraka amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Teo amin-dRamatoa Minisitra ????????? ?????????????? sy Andriamatoa ?????????? ????? ?????????????? Filohan’ny Sampandraharaha misahana ny mahaolon’ity fiangonana aty amin’ny ranomasimbe indiana. Ka nanatrika izany koa Andriamatoa ??????? ?????? Talen’ny serasera aty atsimon’i Afrika.

Hizara roa miavaka tsara ny fanatanterahana ny asa ao anatin’izao tohana ara-pitaovana izao:
Hiompana tanteraka amin’ny fanoloana ireo fitaovana rehetra izay tratry ny fahasimbana taorian’ny rivo-doza izay mavesatra indrindra ny ampahany voalohany;
Ny fanarenana ireo foto-drafitrasa izay misy ny simba toy ny fijerena manokana ny vata-trano, ny fampitaovana ao anatiny sy ny sisa kosa ny ampahany faharoa, ka mba hanamaivanana ny fandaniana dia amin’ny alalan’ny ????????? no hanarenana manontolo ireo foto-drafitrasa ireo.
Tsiahivina fa efa noraisin’ny Filohan’ny Repoblika teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny lehiben’ity fiangonana ity ny volana Febroary lasa teo. Tafiditra soa aman-tsara ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny fanjakana amin’ny tsy miankina (3P) izao fifanaraham-piaraha-miasan’izy ireo amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izao.

Nankasitraka feno ny fahavononana nentin’ny Fiangonana amin’ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa ho an’ny tombotsoan’ny vahoaka Ramatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY.