AKON’NY TAGANAMARO VOLANA JONA. VATOMANDRY FARITRA ATSINANANA

Fanohizana ny fanatsarana ny kianjan’ny Distrika izay toerana handraisana ny ampahany betsaka amin’ny fanamarihana n’y fetin’ny 26 Jona eto Vatomandry, no natao TAGNAMARO androany sabotsy faha 17 Jona 2023 .

Nanampy betsaka tamin’ity tagnamaro ity ny Lehiben’ny Distrika Vatomandry sy ny koaminina ary ireo sampan-draharaha maro.

Miandahy miambavy ireo fokonolona Tonga manome tanana isaky ny hetsika TAGNAMARO izay atao isaky ny sabotsy fahatelon’ny volana.