AKON’NY TAGNAMARO DISTRIKA MAROLAMBO (VOLANA JONA) FARITRA ATSINANANA

Fanarenana ny lalana mampitohy kaominina miisa 6 be izao no nosafidian’ny Delegasionan’ny Serasera sy ny Kolontsaina Marolambo natao TAGANAMARO androany Sabotsy faha 17 Jona 2023.

Ireo teboka tena ratsy no natsaraina ka Fokontany roa no voakasika tamin’izany dia ny Fokontany Maroleotra, sy Ambalaheragna. Isan’ny làlana tena mampijaly ny mpitondra moto izy io ka nosafidiana atao TAGNAMARO izao ny fanatsarana azy .