AKON’NY TAGNAMARO VOLANA JONA, DISTRIKAN’NY MAHAJANGA I, FARITRA BOENY

Tontosa ny marainan’ny Sabotsy faha17 volana Jona ny TAGNAMARO andron’ny olom-pirenena tamin’ity volana ity izay notanterahina teto amin’ny Lisea Antanimalandy .

Fanadiovana sy ny fandokoana ny trano fianarana no natao tamin’izany. Niara-nifarimbona teto ireo solontenam-panjakana isan-tsokajiny, ny solotenan’ny fitandrovana ny filaminana, ny mpiasam-panjakana, ireo olom-pirenena teto amin’ny Fonkotany.

Tonga nandray anjara teto ihany koa ireo mpianatra maintimolaly tato amin’ny Lisea. Ireto farany no nangataka ny hanaovana izany ho eto amin’ny Lisea Antanimalandy sy nanampy amin’ny fanantanterahana izany.

Ka notarihan’ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina eto Boeny sy ireo mpiara-miasa aminy sy ny teo anivon’ny CISCO.

Izahay eto amin’ny Fitaleavam-paritryny Serasera sy ny Kolontsaina eto Boeny dia maneho ny fisaorana sy ny fankatelemana ho antsika niara nifanome tanana.

Mankasitraka indrindra !!!