AKON’NY TAGNAMARO VOLANA JONA TSIROANOMANDIDY- BONGOLAVA

Fanadiovana faobe, fisorohana bozaka sy fanadiovana ny manodidina ny kianja manarapenitra Tsiroanomandidy no nanamarihana ny TAGNAMARO andron’ny olompirenena ho an’ny teto amin’ny renivohitry ny Faritra Bongolava.

Fanomanana ny handraisana ny matso lehibe hotanterahina ny 26 Jona ho avy izao no nahatonga ny tompon’andraikitra aty an-toerana handray ny fanapahankevitra mba ahafahan’ny rehetra miatrika am-pilaminana ny fankalazana ny faha 63 taona niverenan’ny fahaleovanteana.