TAGNAMARO AMBATONDRAZAKA

Forazaza faobe no nanamarihana ny hetsika TAGNAMARO teto Ambatondrazaka izay natao tao amin’ny hopitaly CHRR, androany sabotsy 17 jona 2023.

Nitarika sy nanokatra izany ny Préfet an’Ambatondrazaka, ary nisantatra ny fanapahan-jaza amin’ny maha dokotera mpitsabo azy.

Niara-niasa tamin’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Alaotra Mangoro nikarakara izao hetsika izao ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Fitaleavam-paritry ny Mponina.

Nanolo-tanana ihany koa ny fikambanana ABED Madagascar izay nizara fanomezana ho an’ireo ankizy.