28 TAONA NO NIANDRASANA NY FISOKAFAN’NY ROVAN’I MADAGASIKARA INDRAY, TAORIAN’NY NAHAMAIZANY NY 6 NOVAMBRA 1995

Nomarihana amin’ny fomba ofisialy omaly ??????? 18 ???? 2023 ny fisokafany, tamin’ny alalan’ny fitsidihana ireo Mozea mandrafitra ny Rova dia ny :

– ???? ?????????????? ahitana ny mikasika ireo faritra 23 amin’ny maha-Rovan’i Madagasikara azy, ahitana koa ny tantaran’ireo Mpanjaka nifandimby teto Madagasikara, na fampirantiana na horonantsary na ny 3D (hologramme) ihany koa.

– ???? ????????

– ???? ?????????????????

– ?????????? ?????????

– ?????? ???????????

– ?????? ?????????

Natao manaraka ny fenitra takian’ny vaninandro ankehitriny ny Mozea, tahaka ny fahita maneran-tany, misy fiarovana amin’ny haintrano, misy fandehanan’ireo olona manana fahasembanana, misy fihainoana ny fanazavana amin’ny teny malagasy, frantsay na anglisy (audioguide)…

Omaly ihany koa no notokanana sy nandraisana fampisehoana an-tsehatra voalohany ny ?????? ?????????, miompana amin’ny tantaran’i Madagasikara faha-Mpanjaka tamin’ny taonjato faha-19.

Nanomboka ny taona 2019 no nanapahan’ny Filoha Andry RAJOELINA hevitra hamita tanteraka ny asa fanamboarana rehetra ao anatin’ny Rovan’i Madagasikara, ankehitriny dia mamarana ny Lapa Tranovola sy Manampisoa sisa dia ho vita tanteraka daholo izany.

Mariky ny ?????????-???????? sy ????????-???????????? no nahavitana tanteraka izao asa izao, izay natao fanamby mihitsy, hampitàna amin’ny taranaka faramandimby aty aoriana izany soatoavina maha-malagasy izany.

Famerenana ny hasina sy ny maha-Izy ara-kolontsaina no atao, ary fampahafantarana ny tantaran’ny firenena mba hamelomana hatrany izany fitiavan-tanindrazana izany ao am-pon’ny Malagasy tsirairay avy.