TAGNAMARO MAEVATANANA

Sampandraharaha sy Fokontany maro no namaly ny fanentanana nataon’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Betsiboka amin’ny fanadiovana tanàna faobe izay tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny ferim-pirenena 26 Jona izao.

Fanadiovana toeram-piasana sy ny manodidina azy notarihin’ny Prefen’i Maevatanàna sy n’y Goverinoran’ny Faritra Betsiboka, fanadiovana ny elakelan-trano sy arabe ary fanesorana lobolobo no nifarimbonan’ny daholobe tamin’izany.

Hoan’ny mpiara-miasa eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina kosa dia fandokoana ny Studio RNM-TVM eto Maevatanàna no natao – hetsika tafiditra ao anatin’ny Fanamby fanatsaràna ny endriky ny Birao sy ny Haino aman-jerim-panjakana eto an-toerana.