NITOMBO AVO 2 HENY NOHO NY TAMIN’NY ANDRO VOALOHANY NY ISAN’NY MPITSIDIKA NY ROVAN’I MADAGASIKARA

Androany no andro faharoa amin’ny fiverenan’ny fisokafan’ny Rovan’i Madagasikara ho azon’ny daholobe tsidihina.

Tena faly ny vahoaka malagasy ary tena mankasitraka tanteraka ny ezaka lehibe natao hanomezan-danja indray izany harem-bakom-pirenena izany izay azo lazaina fa nateraka indray taorian’ny fahamaizany 28 taona lasa izay.

Ireto ny sary maromaro nalaina tamin’ny tapany maraina tamin’ity andro alarobia 21 jona 2023 ity. Maro samihafa sokajy ny mpitsidika:

Ankizy mpianatra vao vita fanadinana CEPE,
mpiray tanindrazana avy any amin’ny faritra,
Ankohonana sy fianakaviana,
mpizaha tany vahiny,
mpifankatia,
mpiara-mianatra,
mpanao gazety sy mpankafy hai-sary