TAGNAMARO ATSIMO-ANDREFANA DISTRIKAN’I TOLIARA I

Notanterahina anio Asabotsy faha 17 Jiona 2023 ny Tagnamaro ato aminy faritra atsimo – andrefana. Ny fanadiovana fanomezana endrika tsara ny lalana mampitohy ny Banque BOA sy ny Hopitaly be Toliara natao.

Nandray anjara tamin’izany ny avy ao amin’ny Zandary sy ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy ato amin’ny Faritra atsimo – Andrefana izay navitrika dia navitrika tokoa, maro koa ireo sivily niara-nientana nanatanteraka ny asa izay notarihin’ny DRCC Atsimo-Andrefana.

Ity fanadiovana ity dia natao indrindra ho fanentanana ny olom-pirenena rehetra mba samy hanadio ny manodidina azy amin’izao manakaiky ny fetim-pirenena izao.