LANY NASIAM-PANITSIANA KA HIVERINA HO DINIHINA ENY AMIN’NY ANTENIMIERAM-PIRENENA NY TOLO-DALÀNA MOMBA NY ZON’NY MPAMORONA AVY AMIN’NY SOLOMBAVAMBAHOAKA RAHASIMANANA PAULBERT

Nandalo nodinihina sy nandraisana fanapahan-kevitra teny amin’ny Antenimieran-doholona androany 30 jona 2023 ny tolo-dalàna momba ny zon’ny mpamorona avy amin’ny Solombavambahoaka Rahasimanana Paulbert, ka taorian’ny fifanazavana dia nolanian’ny loholona niaraka tamina fanovana maromaro izany tolo-dalàna izany, ary dia haverina indray eny amin’ny Antenimieram-pirenena.

Ny ekipan’ny minisitera, notarihin-dRamatoa Minisitra dia nijanona tanteraka tamina fanazavan-kevitra araky ny lalàna sy tamin’ny lafiny tekinika manodidina io tolo-dalàna io nandritra izany fifanazavana izany, ary nilaza mazava ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina fa ho fitandroana ny fihavanana dia tsy naniry mihitsy ny hitondra ny adihevitra teo amin’ny lafiny politika. Nanamafy ihany koa izy fa tsy manana olana na amin’ny tompon’ny tolo-dalàna na amin’ireo mpanakanto mihitsy na kely aza, fa mikendry fotsiny ihany ny hanatsarana ny fitakiana sy fitsinjarana ny zon’ny mpamorona.

Izany rahateo no nahatonga azy tsy mba namaly mihitsy ny fanendrikendrehana na fanenjehana natao mikasika ity olana ity mba ho fiarovany ny Filohan’ny Repoblika ihany koa, satria tsy misy antony tokony hifandrafiana fa hevitra ihany no tsy hitovizana.

Mandrapiandry ny fahavitan’ny dingana rehetra amin’ny fandinihina eny anivon’ny parlemanta ity tolo-dalàna ity, sy izay ho fandinihan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana azy dia manohy ny asany hatrany eo amin’ny fitantanana ny zon’ny mpamorona ary manohy hatrany ireo ezaka fanatsarana sy fanovana (Na réforme) eo anivony ny OMDA.