TAGNAMARO TAO BEALANANA (Faritra Sofia)

FAMELOMANA IREO TSIPIKA FIAMPITAN’NY MPANDEHA TONGOTRA.

Tamin’ny andron’ny Sabotsy 15 Jolay teo no raikitra ny Tagnamaro manokana, izay nifanindran-dàlana tamin’ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena, izay karakarain’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Mahatsapa ary mahatsiaro ho manana adidy sy tompon’andraikitra ny olom-pirenena mpikatroka eo anivon’ny antoko Freedom eto Bealanana ka niroso tamin’ny famelomana ireo tsipika fotsy fiampitan’ny mpandeha tongotra.

Teny amin’ny làlana mihazo ny liseam-panjakana ao an-toerana no nisantarana ny hetsika androany.

Natao izao hetsika izao mba: « hampihenana ireo lozam-pifamoivoizana mety hitranga sy mba ho fanentanana ny rehetra hanaja ireo marim-pamantarana mikasika ny fifamoivoizana », hoy Richardson Jimmy, mpitarika ny antoko Freedom ao Bealanana. Nampanantena ity farany fa hitohy hatrany ny hetsika ara-tsosialy ataon’ny antoko Freedom eto Bealanana mba ho tombotsoa iraisan’ny daholobe.