TAGNAMARO TAO MAMPIKONY

NOTOTOFANA RANON-TANY NY RANO MIANDRONA MANEMPOTRA NY LALANA AO ANDAKATSAHA

Tsy fahavaratra, tsy maintany fa tena mampanahirana ireo vahoaka ao amin’ny fokontany roa tonta dia ny fokontany ao Mahiagogo sy ao Betsingala, izay samy ao amin’ny kaominina ambonivohitra Mampikony ny rano miandrona amin’ny ampahan-dàlana ao Andakatsaha.

Ny zava-misy mantsy dia difotry ny rano hatrany io ampahan-dàlana io noho ny fivarinan-drano avy amina dobo iray manamorona ity lalana ity. Araka izany, raikitra ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena ny Asabotsy 15 Jolay lasa teo ka nandraraka ny ranon-tany mba hanamaina ny làlana, ka hanamora ny fifamoivoizana. Ny fokontany Mahiagogo sy ao Betsingala izay anisany mpamatsy ny akondro sy anana amidy eny an-tsenan’i Mampikony renivohitra.