TAGNAMARO TAO MANDRITSARA (Faritra Sofia)

FANANGANANA IREO ANDRIN-JIRO HANAZAVA NY TANANA.

Rakotra vatan-dehilahy matanjaka ny tao amin’ny fokontany Antsahabe, kaominina ambonivohitra Mandritsara.

Raikitra tamin’ny Asabotsy 15 Jolay teo tokoa ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena, ka ny fananganana ireo andrin-jiro marobe amam-polony avy amin’ny jirama no natao teto.

Ny fokontany Antsahabe no hisitraka ny hazavana , ka nentanin-kafaliana ny rehetra ary vita indray maka tamin’ity androany ity avokoa ny fananganana ny andrin-jiro rehetra.