ANTSO FANGATAHAM-PIARAHAMIASA FANOMEZANA FITAOVANA HARANTY AO AMIN’NY TRANOMBAKOKY NY HAINO AMAN-JERY

Ho fanomanana ny fisokafan’ ny « MUSÉE DE L’AUDIOVISUEL » eo amin’ny ORTM Anosy, ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia manao antso amintsika rehetra tsara sitrapo ka manana sy nahatahiry ireo fitaovana tranainy mikasika ny radio sy televiziona, na koa kojakoja hafa mifandraika amin’ny tontolon’ny haino aman-jery toy ny « bande magnétique » mirakitra tahirim-peo sy sary, k7, fandraisam-peo, « documents vidéos », sns…

Ankasitrahana indrindra ny fanolorantsika azy ireny haranty ao anatin’ny Mozea mba ho vakoka hahalalan’ny taranaka fara-mandimby ny tantara.

Misy olona handray anao isan’andro manomboka amin’ny 09ora ka hatramin’ny 03ora tolakandro, ao amin’ny ORTM Anosy.

Manolotra ny fisaorana mialoha sahady ho antsika rehetra izay hanohina ny antso am-pitiavana.