LALAON’NY FRANKÔFÔNIA

Raikitra ny fifaninanana, vonona ny delegasiona Malagasy.

Hanomboka anio sabotsy 29 jolay 2023 ao Kinshasa-Repoblika Demokratikan’i Congo ny fifaninanana rehetra amin’ny lalaon’ny tany miteny frantsay (Jeux de la Francophonie).
Nisy ny fihaonana ara-teknika tamin’ ireo mpanakanto isan-tsokajy, toa ny literatiora izay handraisan’i NARDA NATIORAMENA anjara.
Eo koa ny fampirantiana ialohavan’ny fanehoan-talenta mivantana hataon’i Toky ANDRIAMALANTOMANGA eo amin’ ny saripika, ny sokitra hataon’i FITIAVANA RATOVO ary ny hosodoko iangalian’i RICHIANNY.
Niatrika ny famerenana farany teo amin’ny toerana ifaninanana ihany koa tarika MOUSTIK CREW, eo amin’ny taranja hip hop ary hifaninana avy hatrany, rahampitso.
Toraka izany koa ny tarika NDATY LAHY, izay avy nitsapa ny toerana hifaninanana.
Hifanintsana amin’ireo mpihiran’I RDC mpampiantrano, Benin, Canada ary Liban izy ireo.
Omaly dia niavaka ny fidiran’ny delegasiona malagasy nandritra ny lanonam-panokafana.
Dihy sy fihetsika mirindra natao tamin-kafanam-po notarihin’ireo mpandray anjara ara-kolontsaina no niarahan’ireo solontena Malagasy tamin’izany.
Hatreto, ambony ny fanantenana hahazoana medaly hoan’ny delegasiona malagasy.