MISOKATRA NY LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA-11

Mandray ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11 i Madagasikara ny 24 Aogositra hatramin’nny 03 Septambra 2023. Omaly 25 Aogositra no notanterahina tao amin’ny kianja Barea Mahamasina ny lanonam-panokafana.

Ny Filoha Andry Rajoelina no nanokatra izany teo anatrehan’ny vahoaka analinkisa sy ireo delegasiona maro. Niarahaba ireo atleta maherin’ny 4000 mpandray anjara izy ary nitsodrano manokana ireo atleta malagasy izay anaovan’ny fotondram-panjakana ezaka manokana ny fanohanana azy ireo mba tsy ho mena-mitaha amin’ny hafa.

Vahoaka mahay mandray vahiny hoy Andriamatoa Filoha ny Malagasy ary manohana ny atletantsika rehetra tsy an-kanavaka, ka manantena azy ireo handrombaka medaily maro sy hitàna ny laharana voalohany.

Noho ny voina nitranga omaly vokatry ny fifanosehana teny Mahamasin dia nangataka fahanginana iray minitra Andriamatoa Filoha, ary nanome toromarika ny tompon’andraikitra rehetra mba handray andraikitra.

Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta sy Ramatoa Minisitra Mpitondra tenin’ny Governemanta ary ireo Minisitra maromaro dia tonga teny amin’ny hopitaly nijery ny zava-nitranga ary nandray andraikitra avy hatrany.

« Tsy maintsy mandresy i Madagasikara rehefa miray hina isika rehetra », araka io tenin’ Andriamatoa Filoha io dia nampiseho ny firaisankinan’ny malagasy sy ny fifankatiavana amin’ireo nosy manodidina ity lanonam-panokafana ity sy ny lalao JIOI amin’ny ankapobeny.

Natolotra nandritra an’ity lanonana ireo atleta sy delagasiona avy amin’ny firenena rehetra mpandray anjara (Seychelles, Maurice, Mayotte, Maldives, Comores, La Réunion, Madagasikara). Mpandray anjara maherin’ny 4000 no hifaninana amin’ny taranja miisa 20 mandritra ny herinandro.

Ny JIOI no fihaonana ara-panatanjahantena lehibe indrindra aty amin’ny ranomasim-be Indiana. Tamin’ny taona 1979 no nokarakaraina voalohany izany. Fanintenlony i Madagasikara no mampiantrano ny Lalaon’ny Nosy (tamin’ny taona 1990 sy tamin’ny 2007 ary izao taona 2023 izao).

Seho ara-javakanto sy ara-kolontsaina izay tonga lafatra sy nampiaiky ny maro no namaranana ny lanonana.
Ny tranonkala www.jioi2023.org no ahafahana manjohy ny antsipirihan’ny fandaharam-potoana, sy ahafantarra bebe kokoa ny programa isaky ny taranja rehetra.