MSK – OIF : vonona ny hanamafy ny fiaraha-miasa ho fampiroboroboana ny sehatry ny serasera sy ny kolontsaina.

Rafitra iraisam-pirenena niara-niasa akaiky hatramin’izay tamin’i Madagasikara ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie). Sehatra niompanan’izay fiaraha-miasa izay ny fampianarana, diplomasia, toe-karena, politika fa indrindra ny kolontsaina.

Fandaharan’asa maro no napetraky ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tamin’izany nanomboka ny taona 2019 izay notohanan’ny OIF. Anisany ny
ny fampiroboroboana ny CLAC (Centre de Lecture et Animation Culturelle) tany amin’ny faritra sasany, ny fikarakarana ny loabary an-dasy ny taona 2022 niompana tamin’ny ady amin’ny fanapariaham-baovao diso; ny fametrahana ny tranokala IVOTORO hanampy ireo olom-pirenena amin’ny fikarakarakana taratasim-panjakana samihafa, tafiditra ao anatin’ilay hoe fanjakana manakaiky vahoaka.
Nosokafana androany ny hetsika fampirantiana « La Francophonie dans la Diplomatie et à travers les contenus Culturels malagasy » tetsy amin’ny AFT Andavamamba, izay hanehoana ny endriky ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny Governemanta Malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ary ny OIF.