NITSIDIKA NY ROVAN’I MADAGASIKARA NY FILOHA MAORISIANINA

Tonga nitsidika ny Rovan’i Madagasikara androany Sabotsy 26 Aogositra ny Filohan’ny Repoblikan’ny nosy Maorisy Andriamatoa Prithvirajsing ROOPUN sy Ramatoa vadiny.

Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana RAKOTONDRAZAFY no nandray azy mivady sy nitarika azy ireo sy ny delegasiona nanaraka azy.

Liana tokoa ary naneho ny hafaliany sy fahafaham-pony tanteraka ny Filoha maorisianina satria nilaza fa nahazo fahalalana sy zavatra maro momba ny tantaran’i Madagasikara.

Firenena manana tantara maro iombonana amin’i Madagasikara moa ny nosy Maorisy.
Tafiditra anatin’ireo toerana mahaliana izay ampoizina fa ho maro mpitsidika ny Rovan’i Madagasikara mandritra ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Ary hita fa tena maro dia maro ny mpizaha tany teratany sy vahiny tonga mitsidika ary tena liana avokoa.