TENNIS JIOI: norombahin’i Mialy RANAIVO ny medaly volamena teo amin’ny sokajy vehivavy

Nitohy androany Alarobia 30 Aogositra ny dingana famaranana amin’ny taranja Tennis. Toy ny omaly, samy nikatroka ary niaro hatramin’ny farany ny voninahi-pirenena Malagasy ny « AKOMBA ».

Namiratra ny atletantsika ary naneho ny fahaiza-manaony hatramin´ny farany i Mialy RANAIVO rehefa nifandona tamin’ilay teratany Réunionnaise Pauline PAYET. Set 2 noho 0 (6-3 / 6-4) no nahazoany ny fandresena tamin’ity lalao famaranana ity.
Medaly volafotsy kosa no norombahan’i Toky RANAIVO teo amin’ny sokajy lehilahy rehefa lavon’ilay teratany Réunionnais Bax FLORENT tamin’ny « tie break ».
Nahazo ny laharana fahatelo ka niambozona medaly alimo ihany koa i Lucas ANDRIAMASILALAO rehefa nandresy ilay Maorisiana Fox Kox CHRISTOPHER.
Nanatrika ity lalao famaranana sy fiadiana ny laharana fahatelo ity ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika Ramatoa Mialy RAJOELINA sy ny Minisitra mpiahy ny taranja Tennis, Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY sy ny Minisitry ny Fizahantany, Joël RANDRIAMANDRANTO. Tonga maro ihany koa ireo mpanohana ny ekipa malagasy tetsy amin’ny ACSA Ambohidahy.
Misaotra Akomba