NOTOKANANA NY ZOMA 8 SEPTAMBRA 2023 NY HAVORIA NA « AUDITORIUM ET MUSÉE DE L’AUDIOVISUEL DE MADAGASCAR »

Fotodrafitr’asa moderina anomezan-danja ny vakoka sy tantara ary tahirin’ny haino amanjerim-pirenena ny HAVORIA.

Mandrafitra azy ny Mozea mirakitra ny tantaran’ny haino amanjerim-panjakana sy ireo nisava làlana izany, ampirantiana ihany koa ny tahirim-pitaovana nampiasain’ny ORTM hatramin’ny niforonany, ka ny ampahany amin’ny fitaovana aranty dia avy amina tsara sitrapo namaly ny antson’ny Minisitera.

Eo koa ny « Auditorium » izay efitrano lehibe fanaovana fampisehoana mahazaka olona hatramin’ny 650, tsara toerana ka afaka jifain’ireo te hikarakara lanonana sy fampisehoana, no sady ho ampiasain’ny TVM hamokarana fandaharana mivantana ihany koa.

Misy koà ny trano fisakafoanana sy birao isan-karazany ho an’ny mpanakanto sy mpanao gazety.

Ary efitrano maro fampirantiana sy fivoriana ary fampiofanana.

Ny HAVORIA dia miorina eo amin’ny toeran’ny Radiom-pirenena RNM teo aloha izay may sy potika tanteraka ny 21 janoary 2009. Naorina indray tamin’ny 27 oktobra 2021 ary izao notokanana ny 08 Septambra 2023 izao.

Isika izao hoy Ramatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY no « mpitady ny very », « mpanarina ny rava » ary « mpanangana ny lavenona ».

Miara-manatanteraka ny fanamby napetraky ny Filoha Andry RAJOELINA, ka maro ireo Asa sy Ezaka goavana vitan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina noho izany.

Mahakasika ny haino amanjerim-panjakana manokana dia maro ireo fanamby fanavaozana sy fampivoarana maharitra notanterahin’ny MSK, ka nahavitàna nanao fampitaovana manerana ny nosy sy nametraka fotodrafitr’asa (studios) ary nanatsara ny fomba fitantanana.