TAGNAMARO ANTSOHIHY

NESORINA NY FAKO MIVANGONGO TENY AN-TERRAIN MENA

Tsy takona afenina, fa toy ny tafika andrefan-tanàna ny fako mivangongo eny an-terrain mena (Ambalabe-Atsinanana), nandritry ny fotoana maharitra. Ahiana hitera-doza ho an’ireo mpianatra amin’ireo sekoly tsy miankina roa miorina eny an-toerana ity fako ity, izay mety hiteraka tsy fahasalamana, toy ny aretina fitaovam-pisefoana noho ny fofona ratsy mivoaka avy amin’ity fako ity.

Manoloana izany, raikitra ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena ny andron’ny Asabotsy 16 Septambra ity, ka ny fanesorana izany no nifarimbonan’ny olom-pirenena.

Navitrika tokoa ny olom-pirenena, ary sitrahina manokana ireo tanora marobe nanohina ny antso sy ny eo anivon’ny kaominina ambonivohitra Antsohihy, izay tarihin’ny Ben’ny tanàna NASIRY Ali. Ity farany nanindra teboka mafy fa: hentitra ny fepetra ho raisina ho an’ireo olona minia mbola manary fako amin’ity toerana ity.