FANOMANANA NY FANAVAOZANA GOAVANA IZAY HIROSOAN’NY RNM SY NY TVM TSY HO ELA

Manomana ny fanavaozana goavana izay hirosoan’ny RNM sy ny TVM tsy ho ela, ao anatin’ny fitsimbadihana mankany amin’ny haitao ara-kajy mirindra isika ankehitriny.

Noho izany indrindra dia nitsidika sy niresaka amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra hamatsy ny fitaovana amin’izany ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, nandritra ny hetsika «INTERNATIONAL BROADCASTING CONVENTION» 2023 atao any Amsterdam Pays-Bas.

Mpiara-miombona antoka eo amin’ny sehatry ny fampitaovana haino aman-jery, tahaka ny kojakoja rehetra amin’ny « haute fréquence », ny fafana (écrans), ny jiro, ny caméras, prompteurs, sy ny logiciels maro hafa haha-maoderina tanteraka ny «studios» izay hatsangana no vonona hiara-hiasa amin’i Madagasikara araka ny fifampidinihana nataon-dRamatoa minisitra tamin’izy ireo.

Revolisiona tanteraka ho hisy eo amin’ny «studios» ho an’ny RNM sy TVM ao anatin’izany fampitaovana efa maharaka tanteraka ny fivoaran’ny teknolojia izany ary tsy ho mena mitaha amin’ireo haino aman-jery maneran-tany rehefa vita ny ezaka rehetra tokony hirosoana.