TAGNAMARO MAEVATANÀNA

Fanadiovana sy fikolokoloana ny Ivotoeran’ny Famakiamboky sy Kolontsaina na CLAC eto Maevatanàna amin’izao fanombohan’ny taom-pianarana izao no nanamarihana ny Andron’ny Olom-pirenena ny Asabotsy teo.

Nifarimbona tamin’izany Tagnamaro izany ny solotenan’ny Sampandraharaha sy Fikambanana ary ny mpianatra eto an-toerana.
Manana andraikitra amin’ny fikolokoloana ity ivotoerana ity ny rehetra, tsy noho izy manampy betsaka ny ankizy sy tanora mpianatra eny na ny olon-dehibe amin’ny fandrantovana fahalalàna ihany, fa koa noho izy ivotoerana tokana ananan’ny Faritra Betsiboka.

Ho valin’ny fanentanana nataon-dRamatoa Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina – Lalatiana RAKOTONDRAZAFY nandritra ny fanarenana ny endriky ny CLAC tamin’ny taon-dasa rahateo koa no nanaovana ity hetsika ity dia ny hanajàna sy ny hikolokoloana hatrany ny eo am-pelatanana ho lova tsara hoan’ny taranaka.