TAGNAMARO MAMPIKONY

RAIKITRA NY FANADIOVANA NY TSENA

Ambohimpihaonan’ireo mpivarotra sy ny mpiasan’ny kaominina ambonivohitra Mampikony ary ireo fikambanana maro samy hafa ny teo amin’ny Tsena (Bazaribe), nandritry ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena ny Asabotsy lasa teo.

Ny zava-misy mantsy dia efa manomboka mivangongo ny fako, indrindra ny fako avy amin’ireo mpivarotra hani-masaka, ka raikitra teto ny asa fanadiovana izany.

Niezaka tokoa ny fokonolona na dia somary nampananosarotra aza ny fitaomana ny fako noho ny tsy fananan’ny kaominina ny fiarabe mpitondra fako. Fanirian’ireto mpivarotra ireto ihany koa ny mba hisian’ny dabam-pako apetraka eny an-tsena isan-tokony mba hanamora ny fifehezana ny fiparitahan’ny fako.

Niray feo ny rehetra teto fa samy hitandrina amin’ny fako misy eny aminy, ka tsy hanary izany intsony eny an-tsena, satria ny fahasalamana no loharanon-karena.