TAGNAMARO MATSIATRA AMBONY

Sabotsy 16 Septambra 2023

 » Zanakazo voaomana, ala lovain-jafy « .
Io no lohahevitra niompanan’ny hetsika ara-kolontsaina  » Tagnamaro Andron’olompirenena – Volana Septambra 2023  » izay teo ambany fitarihan’ny Fitaleavamparitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Matsiatra Ambony, notronon’ireo Sampandraharam-panjakàna (Sivily sy miaramila) ato Matsiatra Ambony ny andron’ity Sabotsy 16 Septambra 2023 maraina ity.
Sahan’asa amin’ny endriny telo no natao tao amin’ny tanin-janakazo (Pépinière Géante Betsirohitra Fianarantsoa) : famonosana ireo zanakazo hovolena, fanadiovana ny tontolo manodidina ny tanin-janakazo ary fanondrahana ny zanakazo efa mitsiry ao anatin’izany tanin-janakazo izany.
Tonga maro ny olona nasaina notronon’ireo Fikambanana mpilatsaka an-tsitra-po maro sy ny mponina monina ao amin’ny Fokontany Talatamaty Fianarantsoa.

 » Apetraho ny dian-tànanao, holovain’ny taranaka « .