VOAASA HANDRAY ANJARA AMIN’NY « INTERNATIONAL BROADCASTING CONVENTION » (IBC) 2023 ANY AMSTERDAM PAYS-BAS I MADAGASIKARA

Voaasa handray anjara amin’ny « International Broadcasting Convention » (IBC) 2023 any Amsterdam Pays-Bas i Madagasikara amin’ny alàlan-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy, minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Ny IBC no hetsika goavana indrindra maneran-tany hihaonan’ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny resaka fampitaovana ny haino amanjery isan-taona.
Koa satria ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fitsimbadihana mankany amin’ny haitao ara-kajy mirindra izao tontolo izao ankehitriny, dia nasaina handray anjara fitenenana mikasika amin’ny fiomanan’i Madagasikara amin’ny firosoana amin’ny TNT (Télévion Numérique Terrestre) Ramatoa Minisitra, mandritra ity « salon IBC » ity ihany omaly Sabotsy.
Marihana fa i Madagasikara sy ny Repoblikan’i Guinée no firenena afrikana voaasa manokana, izay nosoloan’ny minisitry ny fampahalalam-baovao sy ny serasera tena ihany koa, nandray fitenenana niaraka tamin’i Madagasikara.