FELA MIJORO: NOTOLORAN’NY FITONDRAM-PANJAKANA NY MARI-BONINAHI-PIRENENA CHEVALIER DE L’ORDRE NATIONAL

Navoaka sy nampahafantarina androany tetsy amin’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara ny boky « Ny Diako », nosoratan’i RAZAFINJATO Fela Mijoro, noahian’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY.

Ity boky ity izay mitantara ny sedra nodiaviny, ny asa sy ny ezaka nilofosany na dia teo aza ny fahasembanana ara-batany.

Voarakitra ao anatin’ny boky avokoa ny lalam-piainana nolalovany iray manontolo. Nizarany ny zava-nitranga samihafa teo amin’ny fiainany, na teo amin’ny fiaraha-monina, ny fitiavana sy ny asa, izay tsy nampihemotra azy hanatratra ny tanjony.

Noho ny fahatsapana ireo ezaka vitan’i Fela Mijoro ireo indrindra, ary na dia eo io fahasembanany io no nahatonga ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, nanolotra ny mari-boninahi-pirenena « Chevalier de l’Ordre National » ho azy androany taorian’ny fangatahana nataon’ny Minisitera.

Mendri-piderana hoy Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, ny dingana vitan’i Fela Mijoro. Mifanojo tanteraka rahateo amin’ny fandaharan’asan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny lalam-piainany nolalovany.

Isan’izany ny fandaharan’asa « IRAY IHANY ISIKA », izay novolavolaina hanesorana ireo karazana endri-panavakavahana samihafa (finoana, fihodirana, fiaviana, asa, toe-batana sns) hita eny anivon’ny fiaraha-monina. Eo ihany koa ny fandaharan’asa « ASA sy EZAKA », natao indrindra hanentanana ny olom-pirenena handray an-tanana ny ho aviny fa tsy hiandry tolorana fotsiny ihany.

Ankoatra ny boky izay natolotr’i Fela Mijoro ho an-dRamatoa Minisitra, misy ihany koa ny boky hapetraka ao amin’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara ho azon’ny be sy ny maro vakiana.