TAGNAMARO AMBATONDRAZAKA

Fanadiovana ireo biraom-panjakana no nanamarihana ny hetsika TAGNAMARO teto Ambatondrazaka tamin’ity volana oktobra 2023 ity, ka samy nanadio ny toeram-piasany ny isan-tserivisy.

Tao amin’ny « centre technique RNM/TVM » Ambohimiangaly no nanatanterahana ny asa ho an’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Alaotra Mangoro omaly sabotsy 21 oktobra 2023, niara-nientana ny mpiara-miasa nanadio ireo trano sy ny tokontany ary ireo fitaovam-piasana.