TAGNAMARO AMPARAFARAVOLA

Tao amin’ny fokontany Ambalafarisoa sy Morarano Ivakaka kaominina ambonivohitra Amparafaravola no nanamarihana ny hetsika TAGNAMARO ho an’ny distrikan’Amparafaravola, omaly sabotsy 21 oktobra 2023.

Fisavana tatatra no natao tao anatin’izany ho fiomanana amin’ny fotoam-pahavaratra, ka lakandrano mirefy 250 metatra no voasava tao Morarano Ivakaka. Nanampy ny vahoaka nanatanteraka ny asa ireo serivisim-panjakana.