TAGNAMARO MATSIATRA AMBONY

 » Fanomanana ny toerana hasiana ny zanakazo hovolena  » (Vohitra Ikianjasoa Fianarantsoa).

Zava-dehibe eo amin’ny sahan’asa fiarovana ny tontolo iainana ny fambolen-kazo. Isany manome lanja izany ny eto Madagasika dia mba ho  » Tontolo maitso sy ho rakotr’ala  » araka ny fandaharan’asampanjakàna ankehitriny.
Tontosa soa aman-tsara ny andron’ny Sabotsy 21 Oktobra 2023 maraina teo ny hetsika ara-kolontsaina  » Tagnamaro Andron’olompirenena – Volana Oktobra 2023  » tato amin’ny Faritra Matsiatra Ambony – Distrika Fianarantsoa I (Kaominina Renivohitra Fianarantsoa), teo ambany fitarihan’ny Fitaleavamparitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Matsiatra Ambony (DRCC HM), niaraha-nisalahy tamin’ny Fitaleavamparitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy Matsiatra Ambony (DREDD HM) sy ny Kaominina Renivohitra Fianarantsoa (CUF) tamin’ny alalan’ny hetsika fikarakarana sy fanomanana ny toerana hasiana ny zanakazo hovolena.
Sahan’asa roa mifampiankina araka izany no natao nandritra ny hetsika : Fiavàna ireo lobolobo ny faritra efa misy zanakazo mitsiry, fanaovana ny kilavaka hasiana ny zanakazo hovolena amin’ny fotoana mampety ny vaninandro sy fotoana fambolen-kazo.
Tonga marobe ny olona nasaina izay notron’ireo tao amin’ny Sampandraharam-panjakàna (Sivily sy miaramila) tao an-toerana ary ny Fikambanana mpilatsaka an-tsitrapo maro, ireo mponina manodidina ao amin’ny Fokontany (Andohanatady, Rova, Ambatolahikosoa), nandritra ny hetsika tao amin’ny toerana antsoina hoe  » Vohitra Ikianjasoa Fianarantsoa  » nisy ny tany hambolena ny zanakazo.

Tanteraka tokoa Ilay lalan-tsaina ny Tagnamaro :  » Apetraho ny dian-tànanao, holovain’ny taranaka « .