TAGNAMARO SOANIERANA IVONGO

Fanadiovana ny toerana manodidina ny bureau District no nanamarinana ny TAGNAMARO tamin’ity volana oktobra ity. Nosafidina manokana ny toerana satria voatazana fona ny manodidina rehefa manao ny fananganan-tsaina isaky ny Alatsinainy ny lehiben’ny servisy miankina sy ny tsy miankina izay tarihin’ny lehiben’ny Distrika.

Araka izany, eto no hitarafana ny tontolon’ny asam-panjakana. Isaorana ireo tonga namaly ny antso.