TAGNAMARO MATSIATRA AMBONY

Ankatoky ny fanomanana ny fety Krismasy sy faran’ny taona 2023 ary ny fetin’ny taona vaovao 2024, dia nisy ny asa fanadiovana faobe, manoloana ny Gara FCE sy ny Zaridaina manoloana ny Magro ary ihany koa ny Tranoben’ny Paositra ambany eny Ampasambazaha.

Notanterahina araka izany, ny hetsika ara-kolontsaina  » Tagnamaro – Andron’ny Olompirenena – Volana Desambra sady farany amin’ity taona 2023, teo ambany fitarihan’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Matsiatra Ambony, ny Sabotsy 23 Desambra 2023 maraina, nisolontena ny avy amin’ny Fiadidian’ny Kaominina Renivohitra Fianarantsoa,izay notronon’ireo Sampan-draham-panjakana maro (Sivily sy miaramila), ary ireo mponina ao amin’ny Fokontany Antarandolo sy ny Fokontany manodidina .

 » Apetraho ny dian-tànanao, ho lovain’ny taranaka « .