FAMPIOFANANA SARIMIHETSIKA ATOLOTRY NY MSK AMIN’ NY ALALAN’ NY ANAC SY NY ISSM

Ao anatin’ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny Fikambanana Hetsika sy Laka dia hanomboka amin’ny 9 janoary ho avy izao ny fampiofanana ny teknisiana eo amin’ny sehatry ny sarimihetsika iarahana amin’i Hasimbola RASOLOFO, mpanakanto feno, réalisateur, nivoaka avy tao amin’ny Ecole Supérieure de Réalisation Audiovisuelle tany Rennes (Frantsa), nahatontosa horonan-tsary maro dia maro, ary nanangana ny maison de production « En Pointillé » miaraka amin’i Maxence Gross sy ny « Dans la Boîte ».

Fiofanana feno mahakasika ny famokarana horonantsary no homena ireo mpiofana amin’izay dia ny lafin’ny fanoratana sy ny fanodinana ary ny rafi-tsary sy feo ara-tsarimihetsika (pré-production, production et postproduction cinématographique). Marihina fa ireo izay efa anaty ny regisitre eo anivon’ny ISSM dia ahazo tombony lehibe satria hiantohana ny ampahany amin’ny saram-pianarana.
Haharitra roa taona izany fampiofanana izany ary hampitain-davitra mba ahafahan’ny rehetra misitraka azy, indrindra ireo izay maniry ny hiofana nefa any amin’ny faritra na koa ireo rehetra Izay tsy afaka ny hivezivezy hanatrika ny fotoam-piofanana mandritry ny ora voatondro.
Hisy ihany koa ny Ciné-Club ahafahan’ny rehetra mijery ny karazana horonan-tsary izay nanova sy nampivoatra ny tantaran’ny sarimihetsika eran’izao tontolo izao.
Hamaranana ny fiofanana moa dia hisy ny fanatanterahana sarimihetsika fohy iarahan’ny mpiofana rehetra manao ahitana taratra ny fahaizana rehetra norantoviny sy ny traikefa voarainy nandritry ny roa taona ka ahafahany maneho ny fahaiza-manaony eo amin’y sehatra iraisam-pirenena.
Marihina fa voafetra ny toerana ho an’ireo hanatrika eny amin’ny foiben’ny ANAC sy ny ISSM mivantana.
Ny andinindininy sy ny fisoratana anarana dia azo jerena ao amin’ny pejin’ny ANAC – Académie Nationale des Arts et de la Culture.