TAGNAMARO DISTRIKAN’I SAKARAHA (FARITRA ATSIMO-ANDREFANA)

Fanatsarana sy fanadiovana ny toerana fambolen-kazo eny amin’ny station forestière Sakaraha,izay mirefy 1Ha no asa natao nandritry ny Tagnamaro volana Desambra.

Izany dia niarahana tamin’ny mpiasa avy eo anivon’ny sampandraharahan’ny tontolo iainana eto amin’ny Distrikan’i Sakaraha sy ny avy ao amin’ny Madagascar National Park (MNP).Izay notarihin’ny ekipan’ny DELCC Sakaraha sy ny Chef cantonnement.