TAOM-PANKALAZANA NY JOBILY FAHA 35 TAONAN’NY FARIBOLANA SANDRATRA

??????-????..???? ??????

Izany no lohahevitra nanokafana ny fankalazana ny faha 35 taonan’ny fikambanana FARIBOLANA SANDRATRA.

Velakevitra nampivoitra ny fotoana niainan’ireo vatofototra na ireo nanorina ny an’ity fikambanana nandritra ny 35 taona no notontosaina tao amin’ny Efitrano Dox ao amin’ny Tranombokimpirenen’i Madagasikara.

Tantaran’ny FARIBOLANA SANDRATRA izay tokony ho fantatry ny mpikaroka, ny mpampianatra, ny mpankafy literatiora, no nasongadin’i J.NALISOA RAVALITERA, ILAY NIRY-SOLOSOA, ary RANOE.

Ankoatra ireo dia tsy azo hadinoina ireo nanorina nanao ny ainy tsy ho zavatra toa an’i Elie RAJAONARISON, SOLOFO JOSÉ, LIDYARY, GÉRARD RAKOTONIRIN A, AR.Ni, RAMPANANA RAYMOND…

Niorina ara-panjakana ny 11 Janoary 1989 ny FARIBOLANA SANDRATRA.Fanandratana izay rehetra zavakanto amin’ny teny malagasy mifamatotra amin’ny Soratra no sahaniny.

« ??????????, ??????? ?? ????, ???????? ?? ?? ??? » no teny fanevan’ny fikambanana.

Anisan’ny mampiavaka ny mpiraifaribolana ny takalo sy adihevitra izay ambara amin’ny hoe « ????????????? ». Fikatsahana izay fomba hampvelarana sy hanandratana ny kanto vita amin’ny teny no antompisian’izany.

Anisan’ny mampiavaka ny FARIBOLANA SANDRATRA ny fipariahany manerana an’i Madagasikara ka nandraisan’ireo mpanoratra avy any Antsirabe, Tsiroanomandidy Mahajanga, Antananarivo anjara tamin’ny fiantsana tononkalo nandravahana ny fotoam-pankalazana.

Nanamarika ity lanonana ity ny fijoroan’ireo mpanoratra indray mihira isam-banimpotoana tanatin’iny 35 taona izay samy nanana ny iavahany manokana.

Hetsika maro no hanamarihana izany amin’ity taonam-pankalazana 2024 ity. Ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina RAZAFIARISON Francis no nisoko tena ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina nanome voninahitra izao hetsika izao