FANDAHARANA « TSY HO TOMPON-TRANO MIHONO »

Miverina horenesinao manomboka anio Zoma 19 Janoary 2024 ny fandaharana « Tsy ho tompon-trano mihono » ao amin’ny RNM sy TVM sy ireo haino aman-jery tsy miankina samihafa manerana ny Nosy, hitondrana aminao ny tatitry ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny Filan-kevitry ny Minisitra sy ny Filan-kevitry ny Governemanta isan-kerinandro, sy hiresahana ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny.

Ireo Minisitra mpitondra tenin’ny Governemanta roa mianadahy, Ramatoa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa, sy Andriamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, no hanao ny fandaharana.

An’io Zoma 19 janoary 2024 nanomboka tamin’ny 1 ora sy sasany teo.