LANONANA FAMINDRAM-PITANTANANA EO ANIVON’NY MINISTERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

TONGA SOA ANDRIAMATOA MINISITRA

Tontosa androany Talata faha 16 Janoary 2024 ny lanonana famindram-pitantanana teto anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.
Ramatoa RAHANTANIRINA Vavitsara Gabriella, Minisitra mpisolo toerana no namindra ny fitantanana tamin’Andriamatoa Minisitra ANDRIAMANANORO Augustin izay vao notendren’ny Filoha Andry Rajoelina ny faran’ny herinandro lasa teo.
Andriamatoa isany Sekretera Jeneraly RALAIMAZAVA Johary sy ny Talen’ny Kabinetra RASOANARIVO Haja no nanolotra izao lanonana izao, izay natrehin’olona an-jatony maro (Parlemantera, olom-boafidy, fikambanana ara-politika, solontenan’ny taranak’Andriana, mpanakanto, mpiasan’ny Minisitera, mpanao gazety…).
Ramatoa Minisitra mpisolo toerana sy Andriamatoa Sekretera Jeneraly dia samy nitanisa fohifohy an’ireo asa goavana sy zava-bitan’ny nandritra ny 5 taona nitondran’ny ekipa tarihin-dRamatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY sy ny ekipany.
Fahalemem-panahy, fahamendrehana, fanetre-tena, ary famitranam-pihavanana, Izay kosa no niompanan’ny kabarin’Andriamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina vaovao Augustin ANDRIAMANANORO. Ankoatra ny fisaorana ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra noho ny fametrahan’izy ireo ny fitokisana aminy dia nisaotra ihany koa ny Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY izy tamin’ny asa vitany ho fampiroboroboana ny Kolontsaina sy ny Serasera.

Taorian’ny lanonana, dia nihaona tamin’ny solontenan’ny mpiasan’ny Minisitera nanoloana ny Tranombokimpirenena koa Andriamatoa Minisitra. Sady nanao antso avo fanentanana ny mpiasa rehetra mba hifanome tànana aminy, ary nampanantena ezaka lehibe avy amin’ny tenany, mba hiaraha-misalahy amin’ny Fitondram-panjakana hanatratrarana ny vina hoe: « Madagasikara tsy maintsy mandroso ».