FIHAONANA VOALOHANY TEO AMIN’IREO MPANAO GAZETY ZOKIOLONA SY NY MINISITRY NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA.

Noraisin’ny Minisitra Augustin ANDRIAMANANORO ihany koa androany ireo mpanao gazety zokiolona tonga niarahaba azy tamin’izao nahavoatendry azy hitantana indray ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina izao. Nanome tso-drano azy ireo mpanao gazety zokiolona ireo ahaleo ahalasana amin’ny asa ataony.

« Tsy manadino anareo zoky raiamandreny, bekotromaroholatra teo amin’ny asa fanaovan-gazety aho » hoy ny Minisitra Augustin ANDRIAMANANORO ary nisaotra tamin’ny tsodrano nomen’izy ireo.
Misokatra amin’ireo tetikasa izay afaka iaraha-miasa toy ny fampitàna traikefa amin’ireo zandry sy zanaka aty aoriana ny Ministera.

Ny Filohan’ny fikambanan’ny mpanao gazety zokiolona Andriamatoa RANDRIAMORASATA Solo no nitarika azy ireo.