NITSIDIKA NY TRANOBEN’NY ?.?.?.? NY MINISITRA ???????? ??????????????.

Ny ORTM na ?????? ?? ?? ????? ?? ?? ?? ?é?é?????? ???????? ?? ?????????? dia rantsa-mangaika iray iankinan’ny asan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Olon’ny serasera ny Minisitra Augustin ANDRIAMANANORO ary efa nitondra anjara biriky tao amin’ny ORTM tamin’ny izy Minisitra nandritra ny fotoanan’ny Tetezamita.
Mifankafantatra tsara amin’ny ankamaroan’ny mpiasan’ny ORTM izy, ka raha nitsidika an’ireo biraon’ny mpiasan’ny RNM sy ny TVM izy sy ny mpiara-miasa aminy androany, dia maro ireo hafatrahatra nomeny, fa tsy vitsy ihany koa ny fangatahana sy soso-kevitra naroson’ny mpiasa taminy.
Nitsidika an’ireo birao fiasana, nitafa tamin’ireo mpanao gazety teo am-panomana vaovao, nitsidika koa an’ireo « studios » sy « plateaux » na toeram-pampitana sy fandraisam-peo.
Ho fanohizana ny asa fanatsarana hoy Andriamatoa Minisitra dia vonona ny tenany hanatevina ireo asa efa natomboka hanatratrarana ny lenta sy kalitao iraisam-pirenena eo amin’ny sehatry ny fampahalalam-baovao.
Ankoatran’ny resaka fanatsarana ny fampitaovana sy lafiny teknika dia hampitomboina ihany koa ny toeran’ny sehatry ny fanabeazana sy ny fanandratana avo ny kolontsaina malagasy eto amin’ireto haino amanjerim-panjakana.

Maniry raha maniry aho hoy Andriamatoa Minisitra, mba ho taratry ny fahamendrehana apetraky ny Filoha Andry Rajoelina ny mpiasan’ny ORTM.