FIHAONAN’NY MINISTRY NY SERASERA SY NY KOLOTSAINA TAMIN’NY HOLAFITRY NY MPANAO GAZETY

Namaly ny fanasan’ny holafitry ny mpanao gazety teny amin’ny birao fiasàny teny Ambohidahy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Augustin ANDRIAMANANORO androany.

Nampahafantatra ny mpikambana, ny andraikitra ary ny zava-bitan’ny holafitry ny mpanao gazety nandritra izay 2 taona niasany izay ny filohan’ny OJM Monica RASOLOARISON taorian’ny fiarahabana ny Ministra tamin’ny nahavoatendry azy hitantana ny Serasera sy Kolotsaina.
2030 ny isan’ny mpanao gazety matihanina voasoratra eo anivon’ny OJM. Efa voarakitra ao anaty tranokalan’ny holafitra avokoa ny mombamomba azy ireo, na ny eto an-drenivohitra na ny any amin’ny faritra.
Anatin’ny tontolon’ny fivoarana isika ka tena zava-dehibe ny andraikitry ny OJM amin’ny fitandroana ny fahalalahan’ireo mpanao gazety ireo amin’ny fanatanterahana ny asany hoy ny Minisitra Augustin ANDRIAMANANORO.
Valabe afaka hanefy sy hampiray ny mpanao gazety ny holafitra hoy hatrany izy ary taniketsa hikolokolo ireo tanora vao misehatra eo amin’ity asa ity.
Maro ny tetikasa voaresaka teto, afaka hifanampiana eo amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina sy ny holafitry ny mpanao gazety ary nanamafy ny Minisitra fa misokatra amin’ny fifanakalozan-kevitra izy sy ny mpiara-miasa aminy.

Taorian’izay fihaonana tamin’ny OJM dia izay dia nitsidika ny trano fampirantiana sary teo Ambohidahy koa ny Minisitra.